Fivavahana skitiana

Ny fivavahana skitiana na fivavahana sita dia fitambaran' ny fedrà sy ny fombafomba fanao ary ny finoan' ny Skitiana na Sita, izay iray amin' ireo Vahoaka Iraniana niorim-ponenana tao amin' ny lemaka pôntika sy ny lemaka manodidina ny Ranomasina Kaspiana tamin' ny Andro Taloha. Ny zavatra kely fantatra momba izany fivavahana izany dia avy amin' ny asasoratr' i Herôdôtôsy, mpahay tantara grika tamin' ny taonjato faha-5. Heverina fa misy ifandraisany amin' ny fivavahana prôtô-indô-iraniana voalohany indrindra izy io, ary nisy fiantraikany tamin' ny fedrà slava sy hôngroà ary tiorka tatỳ aoriana, ary koa ny lovantsofina ôsetiana dia noheverina ho avy amin' ny fedrà skitiana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search